Dikan'ny teny : omby

Hampiditra dikany vaovao
1 1 p.t.: Antonona, sahaza (ka samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin'io toerana io): Be loatra ny olona nasaina ha tsy omby ny trano. / Ireo olona izaitratra ireo ve ho omby ao amin'io efitra kely io? - t.i.f.: Mahomby, fahomby, mpahomby / ahombiasana, ahombiazana, fahombiazana, fahombiazana. Ahitsio
2 a.: Biby lelribe ompiana, karazan'ny biby mampinono ary mandinika, misy tandrony roa ary trafony iray eo an-tampon-damosiny. (Teo amin'ny Ntaolo ka mandraka ankehitriny, dia anisan'ny harena lehibe ho an'ny olona ny omby; ny ilana ny omby dia ireto avy: vonoina hihinanana ny henany, terena hakana ny rononony, afahy hanatavezana azy (omby mifahy), ampitarihina sarety, akana zezika. - F.-p.: Omby an'efitra: omby miraoka any an'efitra. / Omby an-tondraka: omby miraoka eny an-tsaha. / Omby bada: ombivavy tsy miteraka. / Omby be ra: omby atao sorona raha misy aretimifindra. I Omby be rano: ombivavy manana anaka a-tao sorona mba hampilatsaka nv orana. / Omby bory: omby fohy kely toa mivonto fotsiny ny tandrony. / Omby haolo: omby dia. / Omby Floua: ombin'Imerina. ( Omby kely hamboty: Omby kely atao sorona radia manao velirano. / Omby mahery: omby saika dia. / Omby malaza: ny omby tsara tarehy sy matanjaka indrindra. / Omby manga: omby dia tsy misy trafo. / Omby maranitra: omby nohetezana mitsokotsoko ny sofiny. / Omby maro madinika: omby kelin'ny andriana novonoina natao sorona ny harivan'ny fandroana. / Omby mifahy: omby hatavezina. / Omby mitrongy tan y: ombalahikely mitsapatsapa ny herin'ny tandrony amin'ny fitrongisana ny tany. / Omby rana: omby tsisy trafo, taranak'ireo omby avy any an-dafin' ny ranomasina nampidirina teto Madagasikara. / O m by rano: omby lazain'ny angano ho nitoetra tany anaty rano. / Omby refona: omby noana. / Omby sira: han' omby nolomana sira. / Omby sisa mita: h,o. olona tsy mahaloa trosa ka tazonina. / Omby tapy soratra: ombin' andriana izay ny ilany mipentimpentina, ny ilany kosa madiodio natao ho anjaran' ny mpiandry azy.(Omby fotsy ra: rehefa mety ho omby atao lofo raha misy maty. / Omby voatombo: omby fotsy ny tendron'ny trafony, ny lohany, ny faritra vitsivitsy amin'ny tenany.'/ Omby volavita: omby misy fotsy eo amin'ny handriny, lamosiny, rambony ary ny tongony, izay natolotra na-tao hasin'andriana. / Omby uolon-takatra: omby mainty volon-takatra izay novonoina natao sorona ala fady raha nisy takatra nifanena andalana tamin'ny mpanjaka. / Omby vositra: omby efa namboarina tsy halain-taranaka mba hohatavezina fotsiny. / Manao toton'omby bory: manao an'aina sy Idtoatoa. * Ohab.: Mivarotra omby anaty ambiaty: mivarotra zavatra tsy fantatra akory. / Mpiandry omby volavita; tsy tompony fa mpamerin-doha: enti-milaza olona tsy tompon-javatra akory fa mpikarakara fotsiny. Ahitsio
3 a.: Trano ataon'ny bibindandy. - t.i.f.: Miomby, fiomby, mpiomby / iombiazana, fiombiazana / mahaomby. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel