Dikan'ny teny : ondry

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Biby fiompy fianakaviam-ben'ny biby mpandinika, rakotra volo matevina ny tenany, izay fantatra amin'ny anarany hoe "volonondry". Ny feon'ny ondry rehefa maneno dia atao hoe mibarareoka. - F.-p.: Ondry mamalika: karaz an' ondry mivadi-tandroka. / Ondrikely kamboty, ondrikely malahelo: ondrikely sady kamboty no mahia novonoina raha nanao fianianana: nozonina sy notsitsihina teo ilay ondrikely ary nangatahina tamin'Andriamanitra mba hianjera amin'izay mivadika amin'ny fianianana ireo ozona ireo. * Ohab.: Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana: aoka tsy hatao tsinontsinona ny olona na zavatra heverina ho kely na madinika, fa mety ho ireny no hahitan-tsoa. J Misorona ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina: enti-milaza fa zava-dratsy, fihomboan'aretjna no mety ho azo raha tsy mahay mivavaka, raha zavatra ratsy no atao sorona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel