Dikan'ny teny : orina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanatsatohana; fananganana trano, vohitra, taozavatra samihafa; fametahana zavatra ho mafy; fiandoham-pikarakarana amin' izay atao. - t.i.f.: Orenana, aorina, voaorina, tafaorina I manorina, fanorina, mpanorina 1 anorenana, fanorenana / miorina, fiorina, mpiorina / iorenana, fiorenana / mahorina / orinorina. - Orimbato (jar. io teny io). / Orim-paka: enti-milaza ny vehivavy niteraka tamin'ny vadiny ara-dalàna (noheveriny fa hanamafy toerana azy izany). / Orinkazo: tsato-kazo naorina amin'ny tany. Ahitsio
2 (ory) p. t.: Atao izay hampahantra azy; botrina. Ahitsio
3 (otra) mt. ih. (ory): Enti-milaza faritra iray amin' ny tena, na ny tena manontolo mihitsy, izay safoina sady tsindriana amin'ny tanana ampandehandehanina mba hampahalefadefaka ny hozatra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel