Dikan'ny teny : ory

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Malahelo, mijaly, miferinaina: Manafaka alahelo ny olona ory. 0 Mahantra, fadiranovana: Ampio ny oiona ory. ¶ Mit.: Faraidiny, poripory, mikaforoforo, mikokokoko. 0 Ampijalina, ampahorina. ? Hontsa, malahelo: Ory ny foko nahita azy. - t.i.f.: Orena, orina, voaory, tafaory I manory, fanory, mpanory / anorena, fanorena / miory, fiory, mpiory / ioriana, fioriana I mahory / fahoriana, - F.-p.: Ory ampiana: entimilaza ny vadibe izay malahelo raha manampy vady masay ny léhilahy vadiny. I Ory misalahy: malahelo na-nana anjara mitovy amin' ireo namany. I Ory velona: faran'izay ory. * Ohab.: Ny ory tsy mba rangahy: ny mahantra tsY mba voahaja na ananana henamaso. f Ny zaza mihanta amin-dRay aman-dreny saro-miory: enti-milaza fa ny zaza tsy mba nihafy fa niadan-dava teo amin'ny ray aman-dreniny no sahirana sy mijaly eo amin'ny tsy fisiana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel