Dikan'ny teny : rafozana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny ilazana ny ray aman-drenin'ny vady, na izay olona heverina ho tokotokony ho izany, toy ny iray tam-po aminy: Rafozan-dahy, rafozam-bauy. - t.i.f.: Rafozanina / mandrafozana, fandrafozana, mpandrafozana / andrafozanana, fandrafozanana / maharafozana. - F.-p.: Miasa jamba rafoxana: miasa ho an'olona tsy mahalala na tsy mankasitraka akory izay ataonao ho azy. * Ohab.: Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no uonoina, ka dimy no ma-mono: mihetsiketsika be, ne-fa tsy lifta izay vita, lasan-ko vavany. ) Rafozana be menomenona: anaterana ny masaha, lazainy "sisa tsy lany"; anaterana ny manta, lazainy "tsy omby vilany": enti-milaza olona sarotra omena fahafahampo, be fanakianana na inona inona atao aminy. / Rafozana jamba: ny mana-titra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira no isaotsaorany: enti-milaza ny olonamahatsiaro ny soa kely fa tsy mahatsiaro ny soa lehibe a-tao azy. / Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina: ny tena zavatra indray no hadino. ΒΆ M.h.: aza atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel