Dikan'ny teny : rahona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitambaran'entona avy amin'ny ranon'ny renirano, ony, farihy, ranomasina donafan'ny hainandro, ka mitangorona eny amin'ny habakabaka ary milatsaka ho orana raha sendra miova ho man gatsiaka ny toetr' an dro, • Teny atao amin-katezerana mba haniniana olona noho ny ratsy nataony, 1 t: Rahonana, arahona, voaxahona 1 mandrahona, fandrahona, mpandxahona / andxahonana, fandrahonana . I maharahona 1 rahondrahona / mirahondrahona. - F,-p.: Mifanoto rahona: enti-milaza asa na raharaha betsaka mifangaro, mifanontona, na olona mifandrombaka miteny indray miaraka. / Misamboarauoara ny rahona: enti-milaza ny rahona jerena toa misamboaravoara nefa samy manana ny fandehany. / Rahom-bava: fandrahonana amin'ny fitenenana. / Raho-mitatao: rahona mivangongo betsaka eny an-danitra ka manamaloka ny masoandro, fambara fa ho avy ny orana. / Semban-drahona: takon'ny rahona. ? h.o.: enti-milaza zavatra tsy tanteraka fa voasampon-javatra kely. / Sondrodrahona: ilazana ny tafontrano izay atao vonjy maika hiarovana ny rindrin-trano tsy ho simban' ny orana; tafontrano bozaka ary manify. / Takondrahona: saron'ny rahona. / Tandrifin-drahona: orana milatsaka tsy ampoizina ary tsy maharitra ela. / Tory rahona ny lanitra: feno rahona tanteraka ny manodidina, ka mety haharitra ny orana raha avy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel