Dikan'ny teny : rakotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra atao eo ambony zavatra hafa mba tsy hahitana azy na hiarovana azy: Rako-pandriana. ¶ M.h.: Saron. • Vato fisaka lehibe izay narakotra ny loaka azo nidirana tao antampon'ny vavahady taloha raha nikodiavana kodiarambato lehibe izay natao hidiny ny vavahady. - t.i.f.: Rakofana, arakotra, voarakotra, tafarakotra I mandrakotra, fandrakotra, mpandrakotra / andrakofana, fandrakofana / mirakotra, firakotra, mpirakotra / irakofana, firakofana / maharakotra I rakodrakotra. - F.-p.: Lamba firakotra: lamba matevina irakofana rehefa matory amin'ny alina. / Rako-bata: varavarana mikatona ho azy toy ny tsatoka. / Rako-pandriana: lambampan driana. * Ohab.: Tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala: ilazana zava-tsoa tsy misy mpiaro ka tonga baranahiny: samy mivantana ao daholo ny olon-drehetra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel