Dikan'ny teny : rambo

Hampiditra dikany vaovao
1 na Rambona a.: Fisaritsarihana na fisampisampiana avy ao aoriana; fitazonana sy fsintonsintonana ao ivoho toy ny mitady hanaraka. - t.i.f : Rambonana, rambosana, voarambo, voarambona / mandrambona, fandrambona, mpandrambona 1 andrambonana, fandrambonana j andrambosana, fandrambosana I maharambo, maharambona I rambondrambona. Ahitsio
2 a.: Laniny lavalava mamarana ny vatan'ny ankabeazan'ny biby, izay azo verina ho tohin'ny hazondamosiny ihany raha jerena ny rafi-batany: Lava rambo ny omby. / Alika bory rambo. ? h.i,: Izay rehetra mirefarefa amin'ny fitafiana na mitaritarika aoriana. - t.i.f.: Ramboana, arambo, voarambo / mandrambo, fandrambo, mpandrambo / andramboana, fandramboana / mirambo, firambo / maharambo I ramborambo I aramborambo, tafaramborambo / miramborambo, firamborambo, mpiramborambo 1 iramboramboana, firamboramboana. Ahitsio
3 a.: Ilay sisa tavela ao amin'ny rary (tsihy na satroka) ka hetezana hiala. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel