Dikan'ny teny : rantsana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny sampan'ny hazo: Tokony hotapahina ny rantsana maty. ~ Ny iray amin'ireo fisampanana dimy amin'ny tendron'ny tanana na ny tongotra tsirairay avy: Lazao auy ny anaran'ny rantsana dimy. - t.i.f.: Rantsanana, rantsanina, voarantsana 1 mandrantsana, fandrantsana, mpandrantsana 1 andrantsanana, fandrantsanana / mirantsana, firantsana 1 maharantsana / rantsandrantsana / miraistsandrantsana. - F.-p.: Felatana-mangaika ny rantsana: enti-milaza ny olona tonian-draharaha izay mampitambatra ny maro amin'ny fiaraha-miasa. / Rantsambatana: ireo tanana aman-tongotra sy ny hafa koa miray amin'ny vatana./Rantsankazo: ny sampan'ny hazo maniry. ( Rantsantanana: ireo rantsana folo amin'ny tanana. / Rantsantongotra: Ireo rantsana folo amin'ny tongotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel