Dikan'ny teny : ratsy

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy tsars tarehy, mahasosotra ny mijery azy: Ratsy ny satroko noho ny anao. ? Tsy manan-toetra tsars, tsy mamy, tsy mahasalama, tsy manjary...: Ratsy izany mofo izany. / Ratsy ity trano ity fa sady maizimaizina no tsy mahazo riuotra. ? Olona fatra-panimba ny sasany, mamohehatra: Tsy sahy mandeha amin'ity lalana ity aho fa be olon-dratsy, hono, eto ho eto. - t.i.f.: Ratsina, haratsina, voaratsy 1 manaratsy, fanaratsy, mpanaratsy 1 anaratsiana, fanaratsiana / maharatsy / miharatsy 1 ratsixatsy / haratsy, haratsiana, faharatsiana 1 an-karatsiana 1 ratsiratsy. - F.-p.: Alin-dratsy: ilazana ny alina mialoha ny fandroana ka iverenan'ny vehivavy mbola tsy voasaotra any amin'ny vadiny izay nisarahany. / Hena ratsy: anaran'ny hena zaraina amin'ny mpandevina. / Hevi-dratsy: fisainana maloto sy tsy mendrika hamitahana na handaingana mba hamelezana ny hafa. / Manisy ratsy olona: manendrikendrika na manao ny tsy marina amin'ny hafa. / Naman-dratsy: namana mitarika amin'ny toetra tsy mahomby samihafa, / Nofy ratsy: nofy ahitana zava-mahatahotra sy mahafeno ahiahy, ka manjary tsy mampandry ny saina. / Olon-dratsy: entimilaza ireo olona tsy menatra, tsy mitans ny marina ary mety hahafaty ny aina, toy ny mpamosavy, mpangalatra... / Ratsy fanahy: a) olona tsy mahay mitondra tena sy tsy mahalala ny rariny; b) olona masiaka sy lozabe. / Ratsy fo: ilazana ireo olona sosisosy, tezitezi-poana, mora tohina sy misafoaka ary mitahiry hatezerana sy manao an-dolompo. / Rats y fiafara: tonga mahantra no farany nony lehibe, mijaly sy fadiranovana any ':m-parany. / Ratsy fiaina, ratsy fitondran-tena: olona tsy menatra, tsy valahara, mpivaro-tena, mivelona amin'ny halatra sy ny hafetsifetsena isan-karazany. / Ratsy tany: tsy mifankahazo amim-pihavanana amin'ny mpiara-monina. / Ratsy tarehy: olona manana endrika misy kilemany, tsy mahafinaritra ny maso ny mijery azy. / Ratsy vintana: tsy mba ambinina sahala amin'ny hafa canin' izay atao. / Sain-dratsy: toetra amam-panahy tsy misai-na afa-tsy faharatsiana: halatra, fitaka.,. / Sakaiza ratsy: (toy ny naman-dratsy ihany jar. eo ambony), na koa olona anaovana fitondran-tena tsy mendrika. / Teny ratsy: ompa sy ozona na fanevatevana olona noho ny hasosorana na fankahalana, teny vetaveta tsy mendrika lazaina eny imasom-bahoaka, / Teti-dratsy: fiokoana sy firaisan-tsaina hangalatra na hamono olona. / Voua ratsy: fanaratsiana na ompa sy ozona atao amin'olona. / Vasa tsy ratsy na am-bava tsy ratsy: enti-milaza ny teny ifanaovana izay tsars sy mamy nefs tsy araka ny fo fa saronana fihatsarambelatslhy fotsiny. / Zava-dratsy: ilazana ireo zavatra mahamenatra toy ny heloka na fitondrantena tsy mahomby sy fisolokiana olona; anarana iantsoana sy ilazana ny kary. / Zaza ratsy taiza: ilazana ireo ankizy maloto fiteny, mpaniratsira, tsy marin-toetra. * Ohab.: Mafanafana ohatra ny ratsy ataon-kavana: rehefa ny havana izay tena tokony hanampy no manisy ratsy dia tena mangidy tokoa fa tsaroan'ny aina ka mafana sy manempotra. / Aza manaratsy tena toa omby hantsika: aoka tsy ny tena ihany no hilaza ratsy sy hanambany ny tena (toy ny omby izay bilaka miditra ny tandrony). / Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana: enti-milaza ny haratsian' ny havana sasany izay mijery fotsiny ny voina mahazo ny tena, mitaha amin'ny sakaiza tiana, tsy taova tsy volovolo, nefa tsy manary amin'ny sarotra. / Tsy tsara tsy ratsy ohatra ny andro ririnina: ilazana toe-javatra na toetr'olona tsy hita hatao tsara na ratsy tanteraka (mitovy amin' ny hoe "tsy main tsy lena" entin'ny olona milaza ny ririnina koa). ΒΆ M.h.: Ratsiratsy, tsizarizary, tsy tsara, tsy manahoana, eo ho eo, benahoana, tsy va-non, tsy mahomby, tsy manjary, fatritran-javatra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel