Dikan'ny teny : ravina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tendron'ny ankabeazan'ny zavamaniry, izay lavalava etiety mitsilotsilo marani-doha ny bikany ary ny atiny malamalama, fa ny vohony maraorao: Kely ravina ny rambiazina. ? h.i.: Takela-javatra: Ravin-taratasy. - t.i.f.: Ravinana / mandravina, fandravina, mpandravina 1 andravinana, fandravinana / ravindravina. - F.-p.: Rauinkazo: anarana iantsoana matetika koa ny ravina araka ny voalaza erp ambony. / Ravin-dam ba: lamba jerena amin'ny maha-fitambaran'ny kofehy — tenany sy fahany — mifampidipiditra: Aleo mividy ravindamba dia mampanjaitra izany ho akanjo, toy izay miuidy akanjo efa uita. / Ravintaratasy: ny felan'ny taratasy fanoratan, / Ravin-tsofina: ny faritra mitapelaka amin'ny sofina. J Tsy mandray ravin'auaratra na ravindeno: enti-milaza ny olona mpanankarena tsy mety hitakosina amin'ny raharaha ambanimbany. / Hataoko tsy mahita rayin'auaratra auy amiko: hataoko tsy mahita zava-tsoa avy amiko. / Heuidravina: hevitra tsy izy, fiheverana kitoatoa sy raikiraiky. / Roka ravin-tseva: teny entin'ny mpanao farahehy mamarana ny hehiny. / Maimbohondrauina: ny fotoana vao maxaina, alohan'ny vaky masoandro, izay efa misy hafanana kely mahamaina ny vohon'ny ravina vao nisy ranonando./Mitoritory ravina: midinidinika raharaha amimpifaliana. / Rauindraviny han y: tsy tena zavatra fa fisehoana marevaka sy maitso ivelany fotsiny ary manodoka. / Vololondrauina: ny ravina mitsimoka sy vao mipoitra amin'ny akondro. ? h.f.: enti-milaza ny endrika malandilandy sy malemilemy. * Ohab.: Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka: fiteny enti-maneso ireo be hambohambo foana amin'ny zavatra tsinontsinona. ¶ M.h.: Mainka izany raha ranomasina, ranompotaka aza manonja. J Ny isauasauana ny raviny hahitana ny fotony: enti-milazany famakafakana izay tsy maintsy hatao raha te hahafantatra zavatra iray. / Tsy mbola nalazo akory ny ravi-nihinanana: enti-milaza fa vao haingana no niara-nihinana sy niara-nifaly dia nisy fiovana sahady ny fihavanana sy ny flfankatiavana. / Atao rauinkazo nanintsana: hadinoina tanteraka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel