Dikan'ny teny : re

Hampiditra dikany vaovao
1 sy Reny mt. ih. it.: Heno: Renao ve izany uorona mihira izany? t• Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto. 1 Tsapan'ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa uoan'ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin'ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy. ~ Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako! - t.i.f.: Mandre, fandre, mpandre / andrenesana, fandrenesana I mampandre / mifampandre / mahare / rare / faharenesana, fandrenesana. - F.-p.: Tsy re dona, tsy re kotroka, tsy re poka: tsy re velively, na kely akory aza. / Re siosio: enti-milaza zavatra heno amin'ny resaka tsy azo itompoana loatra, fa karazan'ny honohono. f Tsy re maty, tsy re velona: ilazana olona lasan-davitra ka tsy fantatra velively ny momba azy. f Tsy re tsaika: tsy heno izay nandalovany, na ny nahatongavany sy nialany. * Ohab.: Mitsako tsy re ka uoa uao "dony aho, ranaotra": entina handatsana ireo olona nanao zavatra an-tsokosoko ka nony tojo ny mafy vao mibabababa mitady vonjy. Ahitsio
2 Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin'ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho e! Ahitsio
3 a.: Ny feo faharoamanarakaraka ny do amin'ny ambaratongam-peo fito amin'ny gama. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel