Dikan'ny teny : reny

Hampiditra dikany vaovao
1 Ny vehivavy niteraka ny tena: Tiavo sy hajao ny reninao. 1 Enti-milaza sy manaja ny vehivavy efa lehibe. - Reny anaka: vehivavy vady niterahana. / Hira, torimaso iray reny: hira indray manao, torimaso indray misintona. / Kelireny: vehivavy manifinify sy kely vahana ary fohy. Renikely: ny vehivavy mitaiza ny zanabadiny. * Ohab.: Aleo miadan-ko reniny toy izay mitsaraingonkovantony: ilazana ny fihetsiky ny tanora raha vao mahita zavatra: tsy mba mandinika firy na milamina toy ny zokiolona. Ahitsio
2 Mitovy amin'ny Re. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel