Dikan'ny teny : reraka

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy manan-kery intsony noho ny hanoanana na havizanana: Hateloana izay tsy nanendry honinaaho ka reraka. / Mafy loatra ny osa'nataony ka reraka izy. 1 Marary mafy: Efa reraka izy ka tsy aveian'ny dokotera iresahana intsony. 1 Maty: Tsy salama teny izy roa vola-na dia reraka. 1 Lany harena, sahirana izaitsizy: Reraka Rakoto hatramin'izay nahauoazan'ny rivo-doza ny famboleny izay. 1 Ketraka, kivy: Be loatra ny fahoriana nianjady taminy ka tsy mahagaga raha reraka izy. - t.i.f.: Rerahina, vouera-ka 1 mandreraka, fandreraka, mpandreraka 1 andrerahana, fandrerahana 1 mireraka, fireraka, mpireraka 1 irerahana, firerahana / reradreraka 1 harerahana 1 faharerahana. - F.-p,: Rera-molotra: Inhibe sady toa miraviravy ny molotra ambany. l Rera-po: kivy sy ketraka. / Rera-tsaina: tena tsy mahasaina izay ha-tao fa kivy ambony ihany. / Vato reraka: vato-mizana tsy miasa. * Ohab.: Akanga reraka tsy mahasidina ambon y: ilazana ny akanga tsy afa-manidina avo noho ny hanoanana. / h.o.: enti-milaza ny tsy fahafahana manao zavatra noho ny harerahana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel