Dikan'ny teny : resy

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t. sady mt. ih, ft.: Voa tamin'ny ady na lalao fifaninanana: Resin'ny Fortior ny mpanao baolina avy tany Lesotho. 1 Maty (loka): Resy tamin'ny loka Rabe ka niozonozona tsy hamerina intsony, 1 Tsy nahazo rariny tamin'ny ady amin'ny fitsarana: Resy tamin'ilay ady lova Rakoto ka tsy manana na inona na inona intsony izao. 1 Tsy mahatohitra: Resin' alahelo izy. 1 Maty antoka: Alaovy ho anao valopolo io akoho io fa resy aho raha latsaka izany. - t.i.f.: Resena I mandresy, fandresy, mpandresy / andresena, fandresena 1 maharesy, faharesy, mpaharesy 1 aharesena, faharesena 1 haresena. - Lambo resy: anarambosotra omena ny kisoa izay tsy dia intsony fa efa ompiana. / Resim-bavy: lehilahy kelikely herin-tsaina ka ambakain'ny vadiny amin'izay ataony rehetra, koa dia ravehivavy no mandidy azy amin'izay ataony rehetra fa manao akohovavy maneno,/ Resin-tondro maso: very tohana tsy manan-kianteherana, fa tsy eo intsony ireo kiady sy voninahitra mpiaro ny tena. / Resy am-boninahitra: enti-milaza ireo izay efa nanao ny faran'ny azony atao teo amin'ny lalao na ady, kanjo dia mbola voa ihany. / Resy lahatra: tsy manankolazaina intsony amin'ny adihevitra fa efa voaporofo ny maha-diso ny hevitra tohanany. / Resy olo-narahina: ilazana ny tsy maha-eo intsony ilay andry niankinana, toy ny vady izany, fa maty. / Resy ny maty: anambarana fa tsy afa-miteny intsony ny maty ka manao izay tiany ny velona; ilazana indrindra ny olona maty, ka malady manambady ilay vadiny velona. / Resy tohika: tsy ahitan-teny intsony amin'ny adihevitra fa sendra ny marina na ny olona madi-doha nifanoherana. / Resy tosika: ilazana ny tafika nihemotra noho ny hamafin'ny ady na ny hery tsy mitovy — miala antsitrapo handao tsy fidiny ny toerana na tanàna nipetrahana na noho ny henatra na noho ny fanaovan'ny sasany toeran-tsy zaka. / Resy tsy miady: ilazana ireo kivy ambony ihany na tsy mbola nanao na inona na inona aza ka dia miala sy mihataka na mijanona mihitsy aza. * Ohab,: Angady mondro sy reniakoho; izay mananda no resy: enti-milaza zavatra roa mitovitovy vidy; ka raha ampifanakalozina dia resy izay manampy zavatra hafa. / Ny tia resy, ny manim-boafady: enti-milaza ny fandeferana Inhibe ananan'ny efa tia, ka tsy sahy mamalivaly na manohitra firy. ¶ M.h.: Resy tosika, maty an-daharana, voatosika, tsy mahazo an-tsahala, voasongona, sendra tolona tsy omby tratra, ambaka noho, latsaka ambany noho, tsy mahaleo, tsy mahasehaka, tsy mahovoka, tsy mahatohitra, milavo lefona, miamboho lahy, mifori-drambo, mandray sanga, mangataka ranomandry, resy tsy miady. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel