Dikan'ny teny : riaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Rano avy amin'ny ranonorana mikoriana amin' ny tatatra: Nentin'ny riaka ny satrony ka tsy tratra intsony. • h.o.: Habetsahana. ? h.i.: Rano be;ranomasina: Aniuon'ny riaka no anarana niantsoana fahizay ny tanintsika. - t.i.f.: Mandriaka, fandriaka / miriaka, firiaka / riadriaka / miriadriaka, firiadriaka, mpiriadriaka / mahariadriaka I mariaka sy mariadriaka. - F.-p.: Aniuon'ny riaka: enti-milaza izay tany voahodidin'ny rano toa an'i Madagasikara, ka izany teny izany indrindra no nilazana ny Nosin'ny Malagasy fahizay. / Entin-driaka: paohin'ny rano mandeha amin'ny tatatra. min'ny toerana ambony, izay matetika avy amin'ny fahatapahan'ny lalan'ny renirano, ka tsy misononoka intsony fa midina tampoka manaraka laha-bato mikitoantoana; noho ny rano mianjera mafy, dia misy roatrany be ary mitalakotrokotroka ny riana sasany. - t.i.f.: Rianana / mandriana, fandriana / riandriana / miriandriana. - F.-p.: Riam-bato: enti-milaza ny rano mivarina amin' ny haram-bato. f Saobakaka ambody riana: fitenenana ilazana ny olona tsy milamintsaina fa voakorontana sy mitebiteby lava toy ny saobakaka voakotaban'ny fivarinan'ny rano mianjera ao amin'ny riana eo akaikiny. * Ohab.: Tsy misy uolo manoha randrana, na vato manoha riana: enti-milaza fa tsy misy manohitra izay atao sy heverina fa milamina tanteraka hatrany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel