Dikan'ny teny : rimorimo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavamaneno vita amin'ny silaka volotsangana sahabo ho vehana ny halavany ary voatondro roa ny sakany, ka maranitra toy ny loha lefona ary misy lavaka kely eo amin'ny tendrony iray mba hitsofohan' ny tady ifatorany; misy tahony hihazonana azy koa: ahodinkodina "mirimorimo" izy io ka arakaraka ny maha-mafy ny fanodinkodinana azy no ahazoana feo mafy kokoa. (Ny Tanala no mpampiasa azy indrindra; manarakaraka, ny Sakalava, izay manome anarana azy hoe: Tambovo). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel