Dikan'ny teny : ririnina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan'ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin'ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan'ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany). * t.i.f.: Mandririnina, fandririnina. - F.-p.: Roui-damba ririnina: enti-milaza fahoriana faran' izay mafy, satria ny ririnina efa man gatsiaka ary amin'io indray no rovi-damba. * Ohab.: Mivadibadika ohatra ny andro ririnina: ilazana toetra mora miovaova toy ny andro ririnina, izay mafana kely dia tonga mangatsiaka indray avy eo. / Tay main-tsy lena toy ny andro ririnina: enti-milaza toetra tsy hita hatao tsara tsy hita hatao ratsy toy ny andro ririnina izay tsy maina mafana no tsy lena mandriaka fa manerika madinika lava. / Ririnin-dasa tsy tsaroana: nony sendra ny hatsiaka mamirifiry, dia toa hadino ny teo aloha ka milaza fa mbola tsy nisy hatsiaka ohatra izany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel