Dikan'ny teny : ritra

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Enti-milaza rano lany tsy misy intsony, tankina, sy maina: Ritra ny loharano ka tsy mahita hantsakana ny olona. ? Enti-milaza zavatra handroina ka mass-ka rehefa lasan-ko fofona ny rano nahandroana azy: Efa ritra ny vary ao am-bilany ka antsoy ny olona fa hisakafo isika. ? h.o.: Ringana, maty daholo, ripaka: Ritra tamin' ilay tondra-drano iny ny vorona nompianay teto. ? Lany, ringana, majifa, mafafa: Ritra tamin'ny loka ny hareny. * t.i.f.: Ritina, voaritra / mandritra, fandritra, mpandx?txa / andritana, fandritana / maharitxa, ridritra. - F.-p.: Hena ritra: henanohandroina ho ritra ny fahandroana azy. / Lany ritra: tapitra maty, fongana. / Loharano tsy mety ritra: enti-milaza zavatra nipoiran-iavatra hafa izay tsy mety ho lany fa miboiboika misy hatrany. / Manentan-tsy ritra: ilazana ny olona maimaika sy taitaitra, ka zavatra mbola tsy tonga amin'ny ilana azy akory dia lazaina fa vita, toy ny vary, na laoka mbola tsy ritra dia entanina na bataina hiala eo am-patana. / Ny ony aza manam-paharitana: entimilaza ny zavatra heverina haharitra mandrakizay, nefa dia mety hisy farany ihany. / Ri-drano: ilazana ny lohataona mahatankina ny rano any am-pantsakana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel