Dikan'ny teny : rivotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Aera mihetsika mivoivoy eny amin'ny habakabaka. * t.i.f, : Mandrivotra, fandrivotra. - F.-p.: Hevitra rivotra: hevitra poaka aty, tsy misy antony. l Lalan-drivotra: ny fidiran'ny rivotra avy eo amin' ny vava na orona mankany amin'ny havokavoka. /Maka rivotra: miala sasatra fotoana fohy amin'ny toerana tsy mpisy ny tena. / Fakan-drivotra: fotoana omena ny mpianatra eny anelanelan'ny fotoana ianarany mba hahafahany milalao na miala sasatra. / Miala rivotra: mihataka amin'ny rivotra iainana andavanandro — miala amin' ny trano fonenana misy mosavy nataon'olona. / Mifofofofo ny rivotra: mitsokamafy dia mafy ny rivotra. /Milaza rivotra: milaza zavatra tsy mety ho marina. / Mivalan-drivotra: teny mihajahaja kokoa ilazana ny hoe mangetotra (mamoaka rivotra amin'ny vava fivalanana). / Rivo-balala: rivotra maimaina izay mialoha ny fiavian'ny valala ary heverin'ny olona. ho mitondra aretina (sery). / Rivo-doza: rivotra mafy fitsoka ary mazàna arahin'orana ka mandevona sy manimba zavatra maro. / Rivo-drano: ny rivotra mitsoka eny amoron-drano izay mandrakariva somary mamirifiry. / Riuo-mahery: rivo-doza. / Tafio-drivotra: karazan-drivodoza. / Tsiotsio-drivotra: rivo-malefaka mamelombelona aina. / Vava rivotra na ankotsio-drivotra: toerana ivantanan'ny rivotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel