Dikan'ny teny : ro

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ranon-kanina, indrindra ranon'anana masaka: Tsy mahalany vary mihitsy izy raha tsy misy rony. - F.-p.: Alain-dro: enti-milaza ny hena tsy ritina na endasina fa andrahoina mba hisy rony. / Misoko ohatra ny ron-gisa: fitenenana enti-milaza zavatra tsy ampoizina nefs misy asany. / Ro be maso: rony misy mena-ka misomidika ary matsiro be (hita mitsinkafona boribory mova tsy ny maso ny menaka). / Ro mafana: ilazana ireo vorona na akoho ataon'ny olona fanomezana ho an'ny olona hajaina sy nahavita soa azy. / Ro mangazafy: ro marihitra matsiro, fomba fahandroana vorona ka atao ketsaketsa rano fa tsy ritina. / Ro masaka: ro tsisy sira (natao fanomezana ho an'ny olona manamanjo taloha). / Ro masiaka: Ro be sira sy masiatsiaka natao mba hampahazoto homana. / Ro matsatso: rony tsy misy sira ary tsy mba misy menaka misomidika. / Ro mazava: ron-kena misy - anana. / Rom-patsa: ilazana ny vola enti-mamangy ny vehivavy tera-bao. / Ron-doha: fieritreretana mafy, fisahiranana, fiahiahiana: Lany rondoha taminao ny ray amandreninao. / Ro sompatra: ro be menaka izaitsizy, izay toa matsiro aoka izany nefa mety handoro ny vava na hankarary kibo. / Tsy rony tsy ventiny: enti-milaza hatezeran'olona iray izay tsy misy antony tokony ho nahatonga azy akory. / Vary misy ro ka haronina: enti-milaza olona manaonao foana, tsy mahalala fomba toy ny ankizy izay mangaron-tanana ny vary misy rony. * Ohab.: Ilay nahandro vato; raha ny rony dia masaka: enti-milaza olona efa nanao sy niezaka hatramin'ny ela, ne-fa tsy nahita vokany tamin' izany. / Mifady ventiny fa misotro ny rony: enti-milaza ny olona manao ny atao hoe fady fotsy, izany hoe tsy mifady tanteraka, na manao alasafaY ka mifady anarany fotsiny. / Misy rony, miaramisotro; misy ventiny miaramihinana: fitenenana mampiseho fiaraha-miisalahy amin'izay misy, na soa izany na ratsy. / Ron'i Mandiauato; ny sisa tsy lany anasantongotra: ohabolana ilazana tsy fahaizan-javatra ka mahatonga ny zavatra hariariana foana, toy ireo olona voalaza eto izaY nanisy rano be loatra ny laoka ka nanjary tsy nisy tsirony ary tsy lany ilay laoka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel