Dikan'ny teny : rojo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Masom-by na varahina na volafotsy na volamena mitohitohy ka zary fehy, hitanana mpangalatra na hiambozonan-javatra na hatao haingo: Tapaka ny rojompamantaranandroko. / Rojo vy. / Rojo vola. - F.-p.: Rojo taolan'amalona: rojo karazany hafa kely fa ny fitohitohizan'ny masom-by aminy dia toy ny taolan-dam osin' amalona. Ahitsio
2 a.: Karazam-bary lava madio ny voany: Vary rojo fotsy; rojo mena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel