Dikan'ny teny : rora

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tsiranorano miforona ao anaty vava, manampy amin'ny fitelemana ny hanina ary manova ny toetoetrany simika; iray amin'ny ivy ihany ny rora, saingy somary mandroatra ary iniana avoaka. - t.i.f.: Rorana, arora, voarora 1 mandrora, fandrora, mpandrora / androrana, fandrorana 1 maharora. - F.-p.: Fotsy rora: ilazana ny olona tsy ankatoavina ny anatra na torohevitra omeny: Aza atao fotsy rora ireo ray aman-dreninareo! / Miteiin-drora: mitsiriritra ny hihinan-javatra amin'ny fahitana azy fotsiny. / Mitsipy rora: mampiseho tsy fitiavana na fanivaivana zavatra na olona amin'ny fandefasana rora eo anoloany. / Roram-piso: a) ny roran'ny saka izay itsofany ny biby miady aminy; b) enti-milaza koa ny erika madinika mifafy, indrindra amin'ny ririnina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel