Dikan'ny teny : safotra

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Rendrika ao anaty...; tototra ao anaty...: Safotry ny rano ny tanimbolinay tamin'ny fahavaratra lasa teo. ? h.o.: Feno, rakotra, tototra, henika: Safotry ny hafaliana ny reniko nahita ahy tafaverina. / Safo-kenatra izy namakivaky ireo olona maro be teo an-tokotaniny. ? Tsy mahatsiaro tena na very saina noho ny fangirifiriana vokatr'aretina na noho ny fihetsehampo be loatra: Notenenin-drainy mafy izy dia safotra foana tao. * t.i.f.: Saforana, asafotra, voasafotra / manafotra, fanafotra, mpanafotra / anaforana, fanaforana / mahasafotra. - F.-p.: Safo-drano: fihoaran'ny rano ivelan'ny masondrano noho ny habetsahan'ny orana ka mahatonga azy hihanaka eran'ny manodidina. / Safo-drazana: lambamena arakotra faty mitandahatra ho solon-dambampamadihana ho azy ireo. / Safo-drorohany: ny jabora mandrakotra ny rorohan' omby. / Safononoka: feno hatreny amin'ny molony. / Safo-tany: aretina tsy dia manahoana loatra nefa mahavoa ny olon-drehetra. ΒΆ M. h.: Po-tany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel