Dikan'ny teny : saika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fakana rano amin' ny zinga na siny izay tonga dia asoka ao anaty rano ka atao izay hahafeno azy avy hatrany. - t.i.f.: Saihina, asaika, voasaika / manasaika, fanasaika, mpanasaika / anasaihana, fanasaihana / misaika, fisaika, mpisaika / isaihana, fisaihana / mahasaika / saitsaika. ? F.-p.: Sai-dany: vary tondrahana rony ary hanina haingana sy an-kisesy. / Saidrano: fihinanana vary amin' ny rano; enti-milaza koa ny tanimbary ampidirana rano betsaka. Ahitsio
2 na Saiky p. mt.: Kely foana no tsy...: Saika nianjera izy. ¶ M.h.: Kasa. • Manam-pikasana: Saika handeha aho raha vita ny resatsika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel