Dikan'ny teny : saiky

Hampiditra dikany vaovao
1 na Saikiny a: Zavatra na olona ampiasaina ho solon'ny hafa izay toa tiana hotsitsina, na hotsimbinina sao halaky simba: Asiana saikiny ny faladian-kiraro mba tsy ho simba haingana. - t.i.f.: Saikena, asaiky, voasaiky / misaiky, fisaiky, mpisaiky / isaikena, fisaikena I mahasaiky / saikisaiky. - F.-p.: Saikim-paladia: ny faladian-kiraro nasiana arony mba hampahateza azy. / Saikim-pananana: fitsitsiana ny fananan'ny tena ka ny an'ny hafa aloha no ampiasaina. / Saikin-damba: lamba fitafy tsy dia tsars loatra ampiasaina mba hampahateza ny lamba fitondra vory vahoaka. / Manao saikiny: enti-milaza ny fananana izay tsy kasihina, fa ny an' olona no ampiasaina. ΒΆ M. h.: Sosona, latsy, tsikala, tamby, rikarika, fanampy, tohana, safy. Ahitsio
2 Mitovy amin'ny Siky. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel