Dikan'ny teny : sakaiza

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Namana mifankazatra sy mifankatia amin'ny tena ka amborahana izay ao am-po sy izay manjo ny te-na: Miaraka foana Ibalita sy Isambilo sakaizany. ? Entimilaza koa lehilahy sy vehivavy mifangala-pitia any amin'ny takona (matetika, amin'ity hevitra ity, dia ampiana ny mpamaritra hoe ratsy: sakaiza ratsy). - t.i.f. : Sakaizaina, asakaiza, voasakaiza, tafasakaiza / manakaiza sy manasakaiza, fanakaiza, mpanakaiza / anakaizana, fanakaizana / misakaiza, fisakaiza, mpisakaiza / isakaizana, fisakaizana / mahasakaiza / sakaizakaiza. - F.-p.: Sakaiza manody: enti-milaza olona nitokiana izay manao ratsy ny tena any amin'ny takona. / Sakaizam-bilany uy: ilazana ireo ankizy tokony handeha hilalao, nefa tsy miala eo amorom-patana, miandry ny fahamasahan'ny sakafo noho ny hatendana. / Sakaizampatana: entina milaza ireo efa zokiolona izay mila hafanana eo amin'ny afo am-patana, — indraindray koa ilazana ireo tendan-kanina tsy miala eo akaikin'ny fatana miandry ny sakafo. / Sakaizam-patsa: anarana omen'ny olona ny hen'omby akaikin' ny sorony noho izy tsara rony, andrahoina miaraka amin'ny patsa. / Sakaizan-kauitra: ilazana ny akoho tanora izay tsara raha atsatsika amin'ny afo. * Ohab.: Ataouy maro ny sakaiza, fa iray ihany no itokisana: ohabolana mampahatsiaro fa na maro aza ny namana, vitsy no tena azo itokisana. / Manakaiza vahiny; mbola tia ka ilaozany: enti-milaza fa tsy tokony hiraiki-po amin'izay olona tsy manao afa-tsy mandalo. ¶ M. h.: Tapaka, namana, mpifankatia, mahatoky, rano sy vary, fatidra, longo, tanan-kavia sy havanana, trano atsimo sy avaratra, mpirahalahy mizara dian'omby, mifampihinana ny manta sy ny masaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel