Dikan'ny teny : salaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Lamba lavalava nahodidin'ny lehilahy ny valahany taloha dia nasadikany amin'ny elakela-peny hifandray amin'ilay manodidina ny valahana (raha indray mihodina monja izy dia atao hoe salaka tokan'olona). - t.i.f. : Salakaina, salakana, asalaka / voasalaka, tafasalaka / manasalaka, fanasalaka, mpanasalaka / anasalakàna, fanasalakàna / misalaka, fisalaka, mpisalaka / isalakàna, fisalakàna / mahasalaka. - F.-p.: Salaka am-piraka: ilazana ny salaka izay misy vakana ho haingonkaingony. / Salaka fohy: enti-milaza herimpo amin'ny asa (manao salaka fohy rambo). /Salaka halo: salaka ahodidina fotsiny manodidina ny valahana fa tsy asadika eo an'elakela-pe. / Salaka lambotapaka: salaka anaovana amin'ny famorana ary hatreny ambony lohalika izy io. / Salaka miamboho vody: h.o. entimilaza zavatra tonga aoriana loatra fa tsy amin'ny fotoana ilana azy, mitovy amin'ny hoe: ranomaso tsy miaraka amam-paty. / Ny any an-tsalaka no miala: maty antoka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel