Dikan'ny teny : sambatra

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy. ? Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany. ? Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry. - t.i.f.: Hasambarana, fahasambarana. Ahitsio
2 (Ats) a.: Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazatahy rehetra teraka ao anatin'ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io. Ahitsio
3 a.: Fahandro katsaka amin'ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel