Dikan'ny teny : sanga

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Volon-doha mivondrona kely eo ambonin'ny tampin-kandrina, na volondoha somary lavalava kokoa noho ny sisa rehetra eo afovoany tsara eo ambony tampin-kandrina. ? Volo na nofo mivondrona eo an-tampondohan'ny biby sasany: Lava sanga ny akoholahin'i Naivo. • t,i.f.: Sangana, voasanga / misanga, fisanga, mpisanga / isangana, fisangana. - F,-p,: Ambany ny sangany: enti-milaza olona menatra izaitsizy. / Sanga an-katoka: volo lava avala hitarotaroka any an-katoka. / Sanga-Nanahary: volo maniry eo an-tampon-dohan'ny zaza hatrany an-kibon-dreniny. / Sangan-tampona: ilay volo navela ho lava noho ny namany ao an-tampon-doha. / Sanga-mangata-dranouola na sanga mitsinjo ranovola: ilazana ilay sanga eo anoloana izay randranina hikirazorazo. / Mandray sanga: ilazana ny olona resy lahatra teo amin'ny adihevitra nifanaovana, ka misafo loha sisa no ataony fa tsy mahateny ints ony . Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel