Dikan'ny teny : sarety

Hampiditra dikany vaovao
1 (fr. charrette) a.: Kalesy tarihin'ny olona (saretintanana) na tarihin'ny omby miditra anaty jioga: Ariary zato ny zezika iray sarety. - F.-p.: Mpandroaka sarety: enti-milaza ny olona mibaiko ny omby mitarika sarety. * Ohab.: Kodiaran-tsarety ny fiainana ka mifandimby ambony sy ambany: enti-milaza fa ny fiainana eto an-tany dia tsy misy toerana raikitra fa miovaova mifandimbindimby ka ny ambony mbola mety ho ambany ary ny ambany mbola mety ho am bony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel