Dikan'ny teny : sasaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny ilany ihany amin'ny zavatra anankiray nozaraina roa mitovy: Vary sasaka ny rano entina mihazakazaka (ny fampiasa matetika anefa dia ny hoe: antsasaka, antsasany). - t.i.f.: Sasahina, voasasaka, sinasaka 1 manasaka, fanasaka, mpanasaka 1 misasaka, fisasaka, mpisasaka 1 isasahana, fisasahana 1 mahasasaka / sasatsasaka. - F.-p.: Sasa-pahadimy: halavan-drefy mitovy amin'ny refy roa sy sasany (ny fahadimy dia dimy refy, ka ny antsasak'io roa sy sasany). / Avo sasaka: habetsahana na hamaroana mitovy amin'ny ilay efa eo. * Ohab.: Avo sasaka ohatra ny akoho tokana anaka. / Maty sasaka, very sasaka: maty na very ny antsasany. / Sasak'aiina: amin'ny roa ambin'ny folo alina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel