Dikan'ny teny : satroka

Hampiditra dikany vaovao
1 a. : Isam-pitafiana mandrakotra ny loha, vita amin' ny bonetra na bosoa na amin'ny karazan-javamaniry toy ny mololo, ny penjy... ary na amin'ny lamba koa aza. Arakaraka ny zavatra anaovana azy na ny bikany, ireto avy ny karazan-tsatroka lehibebe hita teto: satroka ahibano, satroka ba, satroka bonetra, satro-bory, satroka haro na, satroka jaomalanga (bonetra avo trafo ary miakatra daholo manodidina ny sofiny), satroka jobo (vita amin'ny bosoa, avo trafo ary jobo saika manarona ny maso sy ny hatoka ny sofiny), satroka kasikety, satroka panama, satroka penjy, satroka tavimandry (bosoa ihany koa, fa talesaka), satroka valalamihoatra (varahina, fanaon'ny miaramila nantsoina hoe "dragons": misy toa sangany kely er? an-tampony ary miforitra miakatra ao andamosina); ivelan'ireo, tsara holazaina koa ny satroka fito rantsana an'ny mpanjaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel