Dikan'ny teny : sembana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Aretina tampoka tsy nampoizina, tsy nahina: Voan'ny sembana ny zaza 1 p, t.: Azon'aretina tampoka: Sembana ny zanako halina. 1 Azon-tsampona, azon-javatra manampontsampona: Sembana ny dianay. / Semban-drahona ny volana. - t.i.f.: Sembanina, asembana, voasembana 1 misembana, fisembana, mpisembana 1 isembanana, fisembanana 1 sembantsembana 1 manembantsembana, fanembantsembana, mpanembantsembana 1 anembantsembanana, fanembantsembanana 1 mahasembantsembana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel