Dikan'ny teny : sempotra

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy afa-miaina noho ny hafanana be loatra: Sempotry ny hafanana aho izany. 1 Tsy avy miaina noho ny tsy fisian'ny rivotra na ny fibosesiky ny rivotra be loatra, misanehaka no-ho ny hazakazaka: Nihazakazaka aho ka sempotra. / Rehefa mandeha ny aotomobilina ka mivoha ny varavarana, mila ho sempotra ny zazakely. / Sokafy aho fa sempotra. • Be raharaha na ahiahy na alahelo ka toa tsy afa-miaina noho ny fahasahiranana: Sempotry ny volan' olona Rakoto. / Mbola sempotry ny fanadinana aho ka tsy afa-manoratra. - t.i.f.: Semporina, asempotra, voasempotra, sinempotra 1 manempotra, fanempotra, mpanempotra 1 anemporana, fanemporana J misempotra, fisempotra, mpisempotra1 isemporana, fisemporana J mahasempotra 1 sempotsempotra 1 hasemporana, fahasemporana. ¶ M.h.: Ana, tsy avy miaina, mikoika, mihehaka, misanehaka, misefosefo, misohika, any am-bolon-tsoflna ny aina, mitranga ny lela. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel