Dikan'ny teny : sesika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra aiditra ao anaty zavatra hafa (kidoro, ondana) ka atao mifanizina; alentika na atosika hifatratra: Sesi-kidoro. - t.i.f.: Sesehana, sesefana, asesika, voasesika, sinesika, tafasesika / manesika, fanesika, mpanesika / anesehana, fanesehana / misesika, fisesika, mpisesika / isesehana, fisesehana / mahasesika / sesitsesika J mibosesika. - F.-p.: Sesi-by, sesi-kazo: vy na hazo atao hitanana ny sisiny amin'ny rafitra. / Sesidohalika: famelezana na fanerena ny sasany noho ny hafetsena ananana. / Sesikena: hena voatoto asesika ao anaty ladobo (akoho na vorona). J Sesik'ondana; sesikidoro: ny bozaka na zavatra hala atao sesiky ny ondana na ny kidoro fatoriana. / J Sesi-manta: fandentehana zavatra, toy ny fantsika, ka tsy mila rindrany fa atao an' aina fotsiny amin'izao. / Sesi-montotra: fihinanana salsa-fo atao an-kisesy, na ny teny atao miverimberina na dia mbola tsy heno tsara aza ny teo aloha.J Sesi-tany: fandroahana olona hifindra fonenana noho ny heloka vitany. / Manesi-tany: mampiala eo amin'ny tany iray. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel