Dikan'ny teny : sikidy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fahaizana mampahalala ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray amin'ny alalan'ny fandaharana voan-tsaramaso na voan-kily, izay sarotra dia sarotra ho an'ny tsy niofana amin'izany. (Misy karazany roa ny sikidy, dia ny sikidy joria ary ny sikidy alanana: amin'ny sikidy joria, dia roa karazana ny fipetraky ny voan-javatra, na jama na taraiky, ka apetraka amin'ny laharana roa mifanao ambony sy ambany ny voa ao anaty kitranotrano valo valo avy; ny sikidy alanana kosa, izay sarotra noho ny joria, dia misy kitranotrano 36, izay manao toa sarina efamira telo, fa jama sy taraiky ihany koa no fipetraky ny voa; rehefa voalahany amin' ireo kitranotrano ny voa, ka eo no mahasarotra azy, dia vakin'ny mpisikidy eo ny valin'ny fanontaniana natao taminy). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel