Dikan'ny teny : sikina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Lamba ahodidina ny tena ka midina hatreo amin'ny lohalika: Naka lamba hataony sikina Rasoa dia lasa nanome hanina ny akoho amam-borony. • Fanodidinana lamba ny tena, ka ho an'ny lehilahy, eo amin' ny valahana no fatorana ilay lamba, fa eo ambany helika kosa ho an'ny vehivavy. 1 h.i.: a) Famorana na hasoavana: Sikin-jaza. b) Hafanam-po, faharisihana amin' ny asa. - t.i.f.: Sikinana, asikina, voasikina, tafasikina 1 manasikina, fanasikina, mpanasikina / anasikinana, fanasikinana 1 manikina, fanikina, mpanikina 1 anikinana, fanikinana / misikina, fisikina, mpisikina / isikinana, fisikinana 1 mahasikina / sikintsikina. - F.-p.: Sikim-balaka: lamba ahodidina ny valahana, ary asikina fotsiny fa tsy migehy mafy. J Sikim-bavy na sikin-tratra: lamba ahodidina ny tena ka hatreo arnin'ny helika no angiazana azy mafy. / Sikim-ponitra: lamba angiazana mafy ny valahana mba tsy hivaha eo am-panaovana raharaha. / Misikim-ponitra: miasa amin-kerimpo mafy. / Sikin-dahy: lamba ahodidina ny valahana rehefa miasa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel