Dikan'ny teny : singa

Hampiditra dikany vaovao
1 Singana na Singany a.: Irery: Nahoana no mandeha singany izato izy? fa nankaiza Ramatoa? ? Ny ilanY, ny iray amin'ireo zavatra iray aman'olona na iray lomisy: Ento at? ny singan-kiraroko ao ambany farafora ao. ? Enti-milaza ny tenan-javatra a-laina tsirairay: Hakako afokasoka tranony iray ve ianao? — Tsia, singany iray ihany entina. - t.i.f,: Singanina, asingana, voasingana, siningana / maningana, faningana, mpaningana / aninganana, faninganana / manasingana, fanasingana, mpanasingana ( anasinganana, fanasinganana / misingana, fisingana, mpisingana / isinganana, fisinganana / mahasingana / singantsingana. • F.-p,: Singam-ba, singan-kiraro: ny ilam-ba na ny ilankiraro ihany fa tsy izy roa. / Singam-bolo: tahom-bolo iray monja. / Singan-drofw: anankiray amin'ny tsiratsiraky ny rofia. / Singan'olona: enti-milaza olon-drery, tsy manan-kavana na namana miaraka amin'ny tena. * Ohab.: Singambolo manda-vo ny vositra: enti-milaza zavatra kely mety hanimba za-'va-dehibe. ¶ M.h.: Singan'olona, honjohonjon'olona, manirery, irery tena, mijongijongy, manjenjena, misiontsiona, tsy amboa tsy lambo, borlbory, tsy ary ambony tsy ary ambany, tokan-tena, tsy mananamana, milalao vovoka irery, mamikitra ahitra irery, akanga sisa nanamborana, tapa-porohana sisa tsy may. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel