Dikan'ny teny : sisa

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny kely tafajanona amin'ny be efa lany na efa afaka: Nomen'Ikoto ny saka ny sisany. / Handeha kely izahay aloha, hoy ireto mpiasa, fa rahampitso mamita ny sisa. 1 Ny ambiny: Iny misy vola roanjato; alao amin'iny ny karamanao nitaona vato, ary dia avereno aty amiko ny sisa. ~ Ny tavela tsy voalaza: Andriamanitra no nanao ny olona, ny zavamaniry sy ny sisa, - t.i.f.: Sisana, asisa, voasisa, sinisa / manisa, fanisa, mpanisa / anisana, fanisana / mahasisa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel