Dikan'ny teny : sitrapo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tanja-panahy ahazoan'ny olombelona manapa-kevitra hanao zavatra iray, na dia zavatra tsy tiany aza. ¶ M.h.: Finiavana, sitraka, nahim-po, danin'ny kibo, haitraitra,—An-tsitrapo, iniana atao, kinianina, fanahy iniana, atao ami-nahy, vivy nanitrika (ka bongo mason' ny nahiny), kibo saokan'ny nahiny, sitrapon'Ikamisy, mpivaro-drano tratr'oran?, mavon'ny nataony (ohatra ny omby mifaoka ambotry), lolo fotsy mitono tena, mandrora mitsilany, main'ny afo natsangana, matin-delany toa toho, matin-tanany toa foza, — Tsy an-tsitrapo, tsy nahy, tsy fidiny, tsy niniana, tsy fanahy iniana, tsy satry. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel