Dikan'ny teny : sokina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Biby misy tsilotsilony mandrakotra ny lamosiny, mpihinam-bibikely (ny sokina dia anisan'ny biby voalaza ho mahasoa noho izy mihinana ireo kankana, bibikely, bibimandady fatra-panimba zavatra), halavany: 20 sm). - F.-p.: Sokina ana: olona tsotra loatra, kely saina, adaladala, foka. * Ohab.: Tapi dalan-kaleha ohatra ny soki-nanani-bato: enti-milaza olona lany tetika aman-kevitra fa efa nanao izay azony natao rehetra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel