Dikan'ny teny : solila

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazan'ahitra mani-pofona misy voniny mavokely na fotsy, maniry eny an-tany mando, nomen'ny ntaolo taloha ny vehivavy bevohoka mba hisorohana ny zava-tsarotra rehetra; izany no nahatonga ilay fitenenana hoe "Izaho tsy mitera-ka no hisotro solila?"; izaho tsy maninon-tsy maninona ve no handeha hisahirana? Ahitsio
2 a.: Ilay fisompiranan'ny rindrina somary mivoaka eo akaikin'ny varavarambe na ny varavarankely; fanatsahana na fanasolarana ny riranjavatra hanjary hisompirana. • p.t.: Misompirana, misobilatra: Fandraka soiila. - t.i.f.: Solilana, voasolila 1 manasolila, fanasolila, mpanasolila 1 anasolilana, fanasolilana 1 misolila, fisolila f isolilana, fisolilana 1 mahasolila. Ahitsio
3 a.: Karazan-dinta lehibe. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel