Dikan'ny teny : soratra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Dihy miara-be fanao taloha raha misy hasoavana malaza. Ahitsio
2 a.: Marimarika isan-karazany azo vakina: Saro-bakina ny soratr'ity zaza ity. ? Filazana an-tsoratra: Misy soratra milaza hoe tsy azo aleha ao. - t.i.f.: Soratana, asoratra, voasoratra, sinoratra / manoratra, fanoratra, mpanoratra / anoratana, fanoratana / misoratra, fisoratra, mpisoratra / isoratana, fisoratana / mahasoratra / soratsoratra. - F.-p.: Ampy misoratra: ilazana ny zaza antonona amin'ny taona hanao ny dihy soratra amin'ny fotoanan'ny famorana. / Sorabola: ny sary amin'ny vola vy. / Sora-boninahitra: ny galonan'ny miaramila; laharam-boninahitra. / Sora-panorona: ny tsipika mifanapatapaka amin'ny lalao fanorona. / Sora-kena: ny faritra samihafa amin'ny hena tokony ho an'ny tsirairay arakaraka ny laharam-boninahiny. / Sora-pihavanana: ny kototanim-pihavanana, na ny fifamatorana maha-mpihavana eo amin'ny fianakaviana. /Sora-tanana:soratra nataon' ny tanana. / Sora-panambadiana na soratra fotsiny: ny fanoratana ny fanambadiana eo anoloan'ny solontenampanjakana. / Sora-tononina: teny tononin'ny hafa ka soratan'ny hafa. / Soratrandra na sorapohy: (jer. io teny io). / Soratr'aretina: ny toetra mampiavaka aretina iray amin'ny hafa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel