Dikan'ny teny : sorindrana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazan-kazo mitovitovy amin'ny bosoa (liège) ka azo anaovana tsentsin-tavoahangy koa, saingy tsy mba ny hodiny no alaina amin'izany, fa ny tenany mihitsy izay maivana sy malemilemy; ny sorindrana no nitaina raha nahandro ny sakafon'ny mpanjaka tamin' ny Fandroana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel