Dikan'ny teny : sorohitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Voronkely vasobaso-bolo fahita eny an-tsaha rehetra eny, saingy tsy mianika eny ambony hazo (halavany eo amin'ny 15-20 sm). Mazàna ny sorohitra no mitsindrotsindroka eny amin'ny arabe eny manidintsidina eo alohan'ny mpandeha ohatra ny mitaridalana azy. * Ohab.: Atodin-tsorohitra amoron-dalana; tsy nariako fa narian-dreniny: enti-milaza tsy fananana andraikitra amin'izay tsy nataon'ny te-na. / Sorohitra mitaingina -ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany: enti-milaza ireo tsy mahita hohararaotina hampijaliana afatsy izay kely sy malemy toa azy. ¶ M.h.: Aza manao sahombora mitaingina ambonin'ny ravina, ka mifanindry samy malemy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel