Dikan'ny teny : sotro

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitaovana misy keoka ny atiny ary mivohitra ny ivelany itondrana ny vary na ny rano any am-bava: Misy sotro vy, misy sotro hazo. Ahitsio
2 a.: Fitelemana rano na ranon-javatra; goka; fitrohana rano amin'ny vava ka atelina: Ataovy toy ny sotro ranon'akoho: ny kely azo iandrandrana (ohab. enti-milaza ny tokony hankasitrahana an'Andriamanitra amin' izay soa omeny, na dia kely aza). - t.i.f.: Sotroina, voasotro, sinotro / misotro, fisotro, mpisotro / isotroana, fisotroana / mahasotro / sotrosotro. - F.-p.: Sotro asisika: kiry tsy azo fefena tsy hanao izay tiany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel