Dikan'ny teny : tafitafy

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: (Varavarana) Mivoha sasaka, sady tsy mikatona tsara no tsy midanadana tanteraka. - t.i.f.: Atafitafy, voatafitafy, tafatafitafy / manafitafy, fanafitafy, mpanafitafy/ anafitafiana, fanafitafiana / mitafitafy, fitafitafy, mpitafitafy / mahatafitafy. bony indrindra: Vao nolokoana ny tafon'ity sarety ity. ? Zavatra entina mandrakotra, manarona ny trano, talla: O-hatrinona ny aria() amin'itony tafo itony? (rehefa mipetaka amin'ny trano izy no a-tao hoe tafontrano). ? Ny fitambaran'ny sarona na rakotry ny trano: Izao tsy mbola misy orana izao no fotoana tsara fanamboarana ny ta-fo (eto izy dia azo soloana hoe: tafontrano). - t.i.f.: Tafoana, atafo, voatafo / manafo, fanafo, mpanafo / anafoana, fanafoana / mitafo / itafoana, fitafoana / mahatafo. - F.-p.: Tafo be: fitambaran' ny ilan'ny tafo anankiroa. / Tafo bondrona: bozaka na herana alaina amin'ny trano efa raya. / Tafo lanitra: enti-milaza irony tafo efa simba izaitsizy ka tazana avy ao anaty trano ny lanitra. / Tafonanahary: ny lanitra, ny habakabaka. Karazan-tafo: tafo bozaka, tafo hazo, tafo fanitso, tafo kapila na tafo tanimanga. / Tafon-tranon' andriana: 1) ny trano rehetra, satria noheverina fa ny andriamanjaka no tompony voalohany; 2) ny trano ipetrahan'ny andriamanjaka; 3) enti-milaza ny olona nafahana tamin'ny fanandevozana na olom-potsy, satria ny mpanjaka ihany no noheverina ho tompony. / Nalefa ho tafon-tranon'andriana: enti-milaza ny mpanompo novotsorana tsy ho andevon' olona intsony. * Ohab.: Raha hangataka, mivelatra ohatra ny tafontrano; raha hangatahina, mihorona ohatra ny tapenaka: entiamilaza ny olona tia tena: rehefa hangataka aminao izy, miseho ho toy ny olona tsara, malala-tanana; rehefa hangatahanao zavatra kosa izy, tsy hahitanao mangirana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel