Dikan'ny teny : tailana

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Vilana, tsy mitovy ny an-daniny roa avy, mitongilana ny ilany, somaradimbana, tafy: Tailana ity latabatra ity izany fa mitongilana ny ilany noho ny iray. * t.i.f.: Tailanina, atailana, voatailana / manatailana, fanatailana, mpanatailana / anatailanana, fanatailanana 1 mitailana, fitailana, mpitailana / fitailanana, itailanana / mahatailana / tailantailana. ? F.-p.: Tailam-pandeha: mamindra somary mihorirana kely. l Tailam-pijery: mitongilana eo am-pijerena, ka ny ilany ihany no voajery. / Taila-nandrenesana: nandre ny ilany fotsiny fa tsy ny rasa-ka manontolo ka miova ny hevitry ny zavatra re noho izany. / Tailan-doha: mivilan-doha. / Tailan-tsoritra: sori-bolo tsy mahitsy, na va-va asa mivilana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel