Dikan'ny teny : taitra

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Tsy matory intsony, efa mifoha na mahatsiaro: Tamin'ny dimy aho dia taitra aninaraina. ? Mivadipo, mirongatra tampoka eo am-pahitana zavatra mahatsiravina, na fandrenesana loza tsy nampoizina: Taitra aho nahita ilay aloka nivoaka avy tao anaty kirihitra ka nanitsy nankeny amiko. / Taitra Rakoto nandre ny vadiny voadonan'ny fiarak od ia. * t.i.f.: Tairina, ataitra, voataitra, tinaitra / manaitra, fanaitra, mpanaitra / anairana, fanairana 1 mahataitra / taitaitra / hatairana, fahatairana. - F.-p.: Tai-drembona, taidrempotra: azon'ny alahelo na ny embona tampoka. / Tai-drompotra: taitra amin'ny fikasokasoky ny ravi-na (jar. rompotra), taitra amin'ny tsinontsinona na hendratrendratra amin'ny tsy antony. / Tai-dronono mandroatra: mora taitra, mitabataba amin'ny zava-madinika. / Vonjy taitra: famonjena haingana atao amin'izay asian'ny fahavalo na tratran'ny voina tampoka. * Ohab.: Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra: tsy mirai-ka miaraka amin'ny olona rehetra, ka nony dodona avy eo manimba zavatra. ΒΆ M. h.: Ankona, kehana, mivadi-po, vahotra, varahontsana, tsy maharay tena, hendratra, miontana, mientana iray ihany, midobodoboka, mirongatra, misarongatra, miantsambotra, mitsamboatra, mikopapaka, mikoropaka, mamaky takotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel